FANOKAFANA OFISIALY NY COP28

FANOKAFANA OFISIALY NY COP28

Nisongadina nandritra ny lanonana fanokafana ny COP28 izay teo ambany fitarihan’Andriamatoa Sultan Al Jaber, Filohan’ny COP28, sy Andriamatoa Simon Stiell, Sekretera Mpanatanteraka ny CCNUCC ny fandaniana ny fametrahana ny tahirim-bola mahakasika ny “fahavoazana sy ny fanonerana” ho an’ireo firenena mizaka ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetrandro. Ny Fiombonaben’ny firenena Arabo izay mandray ity COP28 ity dia nanolotra famatsiam-bola mitentina 100 tapitrisa dolara ho an’ity tahirim-bola “fahavoazana sy ny fanonerana » ity, ny firenena Alemana 100 tapitrisa dolara, ny Vondrona Eropeana 145 tapitrisa dolara, Etazonia 24,5 tapitrisa dolara, Japon 10 tapitrisa dolara ary Angletera 75 tapitrisa dolara, Frantsa 100 tapitrisa dolara.

Fotoana ihany koa izao tsy maintsy andraisana fepetra goavana hitazonana ny fiakaran’ny maripana ho 1,5°C.

Niatrika ity lanonam-panokafana ity Atoa RABEMANANJARA Nicolas Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana sy Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa ary ny solontenan’ireo parlemantera.

Evenements

Thématiques
<