🌱FAMBOLEN-KAZO 🌿MAMOKATRA ZANAKAZO 1 TAPITRISA ISAN-TAONA IREO TANIN-JANAKAZO MIDADASIKA ENY ANIVON’NY FARITRA

🌱FAMBOLEN-KAZO 🌿MAMOKATRA ZANAKAZO 1 TAPITRISA ISAN-TAONA IREO TANIN-JANAKAZO MIDADASIKA ENY ANIVON’NY FARITRA

🌱Amin’izao ankatoky ny fotoana fambolen-kazo izao dia nitsidika ny tanin-janakazo midadasika « pépinière géante Analamanga » Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa sy ny Andriamatoa Jean François Dubuisson, Solontena maharitra Lefitry ny PNUD eto Madagasikara.

🌳Nankasitraka ny ezaka goavana nataon’ireo teknisianina eo anivon’ny DREDD Analamanga izy ireo tamin’ny fametrahana ity tanin-janakazo izay sady filamatra ity no manaraka ny fenitra satria dia miteraka asa ho an’ny mponina ihany koa ny fisiany.
🌱Zanakazo maherin’ny 1 000 000 isan-taona no vokarin’ity tanin-janakazo ity izay mamaly ny filana rehetra : zanakazo haingam-paniry, zanakazo fihinam-boa ary zanakazo ahazoana voly fanondrana.
🌿Nankasitraka ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tohana izay ataony ho fanamafisana ny fanatrarana ny vinan’ny fanjakana amin’ny fambolen-kazo Ramatoa Minisitra. Ny PNUD kosa dia mahatoky fa hahazoana vokatra tsara izao ezaka izao ary hijery ny fomba hanitarana ny tohana izay ataony amin’ireo tanin-janakazo midadasika miisa 23 any amin’ny faritra izy ireo.
       

Evenements

Thématiques
<