Tontosa tao Nanisana ny 14 novambra 2023 teo ny fanolorana fitaovana ho an’ny MEDD entina manamafy ny fitantanana sy fiarovana ny tontolo iainana, niarahana tamin-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa sy Ramatoa Natasha van Rijn Solontena maharitry ny PNUD eto Madagasikara.

Fitaovana informatika nahitana serveur, solontsaina, tablette, imprimante, …entina manamafy ny fametrahana ny « Système d’Information pour la Gestion Environnementale (SIGE) » no natolotry ny Tetikasa CCCD-Conventions de Rio izay vatsian’ny PNUD. Ireto fitaovana ireto izay hanampy betsaka amin’ny fikirakirana ireo antontan’isa sy antontan-kevitra mahakasika ny tontolo iainana ao anatin’ny SIGE hanamorana ny fakana fanapahan-kevitra amin’ny fitantanana ny tontolo iainana.

Nisitraka moto miisa 6 avy amin’ny Tetikasa S2NAP ihany koa ny Fitaleavam-paritra Boeny Betsiboka, Melaky, Atsimo Andrefana, Analanjirofo, Menabe, ary Alaotra Mangoro hanamafisana ny fanaraha-maso ny harena voajanahary eny anivon’ireo Faritra Arovana sy ny Ala Honko. Ity tetikasa ity dia vatsian’ny PNUE amin’ny alalan’ny GEF 5.