Tontosa androany ny fanaovan-tsonia ny tetikasa FOLUR izay notontosain-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa sy Andriamatoa Charles Boliko Solontenan’ny FAO eto Madagascar Comores Maurice Seychelles.

Ny Tetikasa FOLUR dia natao indrindra hitantanana maharitra ny tontolo manodidina sy entina hampiroboroboana ny rafitra ara-tsakafo tsy manimba ala sy ny harena voajanahary izay hifantoka amin’ny fametrahana sy fanatsarana ny rohim-pihariana vary sy kafe.

Tanjon’ny tetikasa FOLUR ny fanatsarana ny famokarana ny sakafo, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ambanivohitra amin’ny alalan’ny :

Fanamafisana ny fiarovana ny ala sy ny karazanjavamananaina

Famerenana amin’ny laoniny ny tontolo manodidina sy ny ala

Fitantanana maharitra sy mahomby ny rohim-pihariana kafe sy vary amin’ny alalan’ny fametrahana fitantanana ny fananan-tany mahomby

Haharitra 5 taona ny fe-potaoana hiasan’ny tetikasa ary ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, Atsimo Atsinanana ary Fitovinany sy Vatovavy no hiasany. Tokatrano maherin’ny 300 000 ny tokatrano hisitraka tombotsoa amin’ity tetikasa ity.

Ny MEDD no mitarika ny fanatanterahana ny tetikasa iarahana amin’ny MINAE sy ny FAO.