Tontosa ny zoma 6 oktobra teo ny hetsika “Prix Responsabilité Sociétale de l’Entreprise (RSE) andiany faha-2”. Fotoana nanolorana mari-pankasitrahana ireo orinasa nandray anjara tamin’ny fifaninanana tetikasa RSE na Responsabilité Sociétale des Entreprises izay nokarakarain’ny orinasa Innoveo sy ny Syndicat des Industries de Madagascar ary teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.

Orinasa 48 no nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity ka tetikasa miisa 13 no voasafidy tao anatin’izany izay notolorana mari-pankasitrahana. Nizara sokajy 3 ny loka nomena ireo mpifaninana : sokajy Tontolo iainana, sokajy Sosialy ary ny sokajy Toekarena.

Tanjona amin’ny fikarakarana ity fifaninanana ity ny hirosoan’ireo orinasa eto Madadasikara amin’ny fampiharana ny RSE izay mampiditra ny lafiny tontolo iainana anatin’ireo sehatrasa izay iantsorohany.

Laharam-pahamehan’ny MEDD ny hanamafy sy hamporisika ny fandraisana anjaran’ny sehatra tsy miankina sy ireo orinasa amin’ny ny fikajiana ny tontolo iainana, fandrosoana ara-tsosialy sy toekarena ary ny fijerena ny maha-olona.
