🌳FARITRA SAVA : NOHAMAFISINA NY FIAROVANA NY FARITRA AROVANA COMATSA

🌳FARITRA SAVA : NOHAMAFISINA NY FIAROVANA NY FARITRA AROVANA COMATSA

🌿Ho fanamafisana ny fiarovana ny Faritra arovana COMATSA dia nihaona tamin’ireo mponina sy ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) tao amin’ny Kaominina Andrekaifona sy Amboriala ao amin’ny Distrikan’i Vohemar ny Goveroran’ny Faritra SAVA sy ny DREDD SAVA nitondra fanentanana sy fampahafantarana tamin’ireo mponina ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ity ala ity.

🌱Ho famporisihana ny rehetra amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny Faritra Arovana COMATSA dia nambara nandritra izao fihaonana izao fa hisy ny fifaninanana “Kaominina maitso” ho an’ireo kaominina 4 manodidina ny COMATSA. Ka ny kaominina voalohany amin’izany dia hisitraka famatsiam-bola amin’izay tetikasa laharam-pahamehana ao aminy.
🌿Fepetra isafidianana azy ireo amin’izany : kaominina kely tevy ala sy ambany ny tahan’ny doro tanety sy ny doro ala. Ity hetsika ity dia fiaraha-miasa eo amin’ny MEDD, Faritra SAVA, DREDD SAVA ary ny WWF Madagascar.

Evenements

Thématiques
<