Ho fanomanana ny fiatrehana ny fihaonambe mahakasika ny fiovan’ny toetrandro COP28 dia nanatanteraka fivoriana ministerialy tany Dakar – Sénégal ireo Minisitry ny Tontolo iainana avy amin’ny firenena 46 an-dalam-pandrosoana ny 28 sy 29 septambra 2023. Misolotena an’i Madagasikara amin’izany Ramatoa Minisitra VINA Marie Orléa.
Voaresaka nandritra ity fihaonana ity ireto lohahevitra ireto: (i) fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro sy ny tanjona ankapobeny, (ii) fahavoazana sy ny fanonerana, (iii) fandaharan’asa mahakasika ny fanalefahana ny fiovan’ny toetrandro, (iv) famatsiam-bola mahakasika ny fiovan’ny toetrandro.