ANDRO REJIONALY NATOKANA HO AN’NY VONDRON’OLONA IFOTONY : NOMARIHINA TAO AMBILOBE NY ANDIANY FAHAROA

ANDRO REJIONALY NATOKANA HO AN’NY VONDRON’OLONA IFOTONY : NOMARIHINA TAO AMBILOBE NY ANDIANY FAHAROA

🌿Tao an-tampon-tananan’Ambilobe no nanamarihana ny Andro rejionaly natokana ho an’ny Vondron’olona Ifotony andiany faharoa ny 28 sy 29 septambra 2023. Fotoana iray ampisongadinana sy ampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny VOI amin’ny fikobabiana ny ala sy ny harena voajanahary.

🌱Ny VOI dia Fikambanana mijoro ara-panjakana ary nomen’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy alalana manokana hikobaby faritra misy harena voajanahary amin’ny alalan’ny “Famindram-pitantanana” izay nomena azy ireo mandritra ny fotoana voafetra ary azo havaozina.

🌿Ho an’ny Faritra DIANA manokana dia miisa 95 ny fikambanana VOI ao aminy ary mitotaly 109 389Ha ny faritr’ala tantanin’izy ireo. Ny 56 amin’ireo VOI ireo dia mitantana faritr’ala honko mirefy 52 310 Ha ary ny 39 mitantana faritr’ala an-tanety mitotaly 57 079Ha. Miisa 3 943 ny mpikambana ao anatin’ireo VOI miisa 95 ireo ary fifanaraham-pamindram-pitantanana miisa 119 no mifehy azy ireo.

📣Hetsika maro no nanamarihana ny andro rejionalin’ny VOI ity : fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo VOI, fifanakalozana traikefa teo amin’ireo VOI, fitsidihana valanjavaboahary, fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny “Site écoutorisme Ankazomborona” tantanin’ny VOI Ankameva izay azo tsidihan’ny mpizahantany manomboka izao, fanamafisana ny « réseau des VOI DIANA » ary fanaovan-tsonia fanavaozana famindram-pitantanana,…

✅️Ny MEDD sy ireo mpiara-miombon’antoka dia manamafy ny fanohanana ireo VOI ireo hahafahan’izy ireo misitraka tombotsoa amin’ny asa fikobabiana ny harena voajanahary izay sahaniny.

Evenements

Thématiques
<