*ALA MAIKY ANY ANDREFANA : NOSOKAJIAN’NY UNESCO HO VAKOKA IRAISAM-PIRENENA* 🌳🌵

*ALA MAIKY ANY ANDREFANA : NOSOKAJIAN’NY UNESCO HO VAKOKA IRAISAM-PIRENENA* 🌳🌵

📣😍 Voasokajy ao anatin’ny *Vakoka iraisam-pirenen’ny UNESCO ny Ala maiky any Andrefan’i Madagasikara* , araka ny fanambarana navoakan’ny UNESCO androany 16 septambra 2023.

💪🌳 Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara izao satria dia mametraka ireo Faritra arovana ireo sy ny harena voajanahary ao aminy hanana ny lanjany ambony dia ambony manerana izao tontolo izao.
✅️ Ny taona 2020 no naroso teo anivon’ny UNESCO ny antontan’taratasy nanolorana ho isan’ny vakoka iraisam-pirenena ny Ala maiky any Andrefana ka izao nahazo fankatoavana izao 3 taona aty aoriana.
🌵🌳 Fanitarana ny Valan-javaboahary Tsingin’i Bemaraha, izay efa voasokajy ho vakoka iraisam-pirenena, ny Ala maiky any Andrefana. Valan-javaboahary miisa 3 no voakasika ao anatin’ny Ala maikin’Andrefana ity dia Ankarafantsika, Mikea ary Tsimanampesotse ary Tahirin-javaboahary manokana miisa 2 dia Analamerana sy Ankarana. Mirefy 734 298ha ny fitambaran’ny velaran’izy ireo.

👏🙏 Miarahaba manokana ireo mponina eny ifotony manamorona ireo Faritra arovana ireo sy ny Malagasy rehetra amin’izao nametrahana ho vakoka iraisam-pirenena ny Ala maiky any Andrefana izao.

👉 Hiara-hientana isika rehetra hiaro ireo harena voajanaharintsika ireo izay manana ny lanjany maneran-tany.

Evenements

Thématiques
<