10 taona aty aoriana dia nankatoavin’ireo firenena folo mpikambana ao amin’ny fifanarahan’i Nairobi ny Protocole GIZC na « Gestion Intégrée des Zones Côtières ». Nandritra ny fivoriambe notanterahina teto Madagasikara ny 11-12 septambra 2023 no nandanian’izy ireo ity fifanarahana ity.
Tombony maro no sitrahin’ireo firenena izay mikambana ao anatin’ny Fifanarahan’i Nairobi amin’izao fankatoavana ity Protocole GIZC ity izao. Voakasik’ity fifanarahana ity avokoa ireo sehatra rehetra ao anatin’ny tontolo iainana an-dranomasina, ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro, indrindra ny fitsinjovana ireo mponina ifotony misehatra amin’ny jono an-dranomasina.