FANAMAFISANA NY ADY AMIN’NY DOROTANETY

FANAMAFISANA NY ADY AMIN’NY DOROTANETY

Manamafy hatrany ny fidinana eny ifotony ny ekipan’ny Ministera ary manentana sy manetsika ireo mpisehatra rehetra eny ifotony mba handraisan’izy ireo anjara mavitrika sy an-tsitrapo amin’ny ady amin’ny afo indrindra ny fiarovana ireo Faritra arovana.

🚫🔥Maro amin’ireo mponina eny ambanivohitra sy ireo rafitra eny ifotony ireo no resy lahatra amin’ny tombotsoa entin’ireo Faritra arovana ireo ka naneho ny fahavononany hanentana ny manodidina azy hanatsahatra ny fanaovana doro tanety.

 

✅️Ny 7 hatramin’ny 9 septambra teo dia nidina ifotony tao amin ‘ny kaominina Itremo sy Amborompotsy, Distrika Ambatofinandrahana ny Fitaleavana misahana ny faritra arovana eto anivon’ny MEDD niaraka amin’ny DREDD Amoron’i Mania ary ny RBG Kew mpitantana ny Faritra Arovana Tangorombohitra Itremo nihaona tamin’ireo Fokonolona manodidina nifanakalo hevitra sy nitondra fanentanana amin’ny fiarovana ity Faritra arovana ity sy ny fanamafisana ny ady amin’ny doro tanety.

Evenements

Thématiques
<