FITANTANANA LOVAINJAFY NY HARENA AN-DRANOMASINA : TANTERAHINA ETO MADAGASIKARA NY FIVORIAMBEN’IREO FIRENENA MIVONDRONA AO AMIN’NY FIFANARAHAN’I NAIROBI

FITANTANANA LOVAINJAFY NY HARENA AN-DRANOMASINA : TANTERAHINA ETO MADAGASIKARA NY FIVORIAMBEN’IREO FIRENENA MIVONDRONA AO AMIN’NY FIFANARAHAN’I NAIROBI

Tanterahina eto amintsika anio 11 sy 12 septambra 2023 ny « Conférence de Plénipotentiaire pour l’adoption et signature du Protocole relatif à la Gestion Intégrée des Zones Côtières (GIZC) de l’océan Indien occidental ». Solontena avy amin’ny firenena miisa 10 mivondrona ao amin’ny Fifanarahan’i Nairobi no mandray anjara amin’ity fivoriambe ity izay ahitana an’i Madagasikara sady Filoha mpitarika ny fivoriambe amin’ny alalan-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, Tanzanie, Afrique du Sud, Mozambique, Somalie, Kenya, Comores, France, Maurice, Seychelles ary ny solontenan’ny PNUE na Programme des Nations Unies pour l’Environnement.

➡️Ny 21 jona 1985 no nankatoavana ny Fifanarahan’i Nairobi ho fiarovana sy fanomezan-danja ny tontolo iainana an-dranomasina sy amorontsiraka izay fifanarahana rejionaly nataon’ireo firenena eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana Occidental.
✅️Miisa 4 ireo fifanarahana ireo ka iray amin’izany ny GIZC na Gestion Intégrée de Zones Côtières izay mitsinjo manokana ny fampiasana maharitra ny harena an-dranomasina sy amorontsiraka.

➡️Mandritra ity fivoriambe ity arak’izany no andinihan’ireo solontenan’ny firenena miisa 10 ireo ny fanatsarana ity Protocole GIZC ity izay efa natomboka folo taona lasa izay ny fametrahana azy.

Evenements

Thématiques
<