🌱JABIHY NA « OPERCULICARYA DECARYI » SIVY GONY NO TRATRA TAO IHOSY

🌱JABIHY NA « OPERCULICARYA DECARYI  »  SIVY GONY NO TRATRA TAO IHOSY

Tra-tehaky ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Ihorombe #DREDDIhorombe ,androany 9 septambra 2023, tao Ihosy ny fiara fitaterana iray avy any Toliary nitondra an-tsokosoko Jabihy 9 gony.

➡️Nogiazana ireto entana ireto sy ny fiara ary notanana atao fanadihadiana ny mpamily ny fiara.
🌿Ny Jabihy na “ Operculicarya decaryi” dia zava-maniry tsy fahita raha tsy eto amintsika ary any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy no ahitana azy.

🙏Ankasitrahana ny fanomezam-baovao avy amin’ny mpanome vaovao nahafahana nahazo izao vokatra izao.

 

Evenements

Thématiques
<