🌱🚒👨‍🚒ADY AMIN’NY AFO : NAMETRAHANA CAMION CITERNE 1 SY POMPIERS ENY AMIN’NY STATION FORESTIERE MAROHOGO MANDRITRA IZAO MAIN-TANY IZAO

🌱🚒👨‍🚒ADY AMIN’NY AFO : NAMETRAHANA CAMION CITERNE 1 SY POMPIERS ENY AMIN’NY STATION FORESTIERE MAROHOGO MANDRITRA IZAO MAIN-TANY IZAO

Ho fiarovana ireo hazo novolena ao amin’ny station forestière Marohogo sy ho fanamorana ny ady amin’ny afo raha sanatria ka misy tranga fahamazana dia nametrahana camion-citerne eny Marohogo nanomboka ny 4 septambra 2023 teo miaraka amin’ny mpamonjy voina miisa 6 👨‍🚒. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Faritra Boeny – ny DIREDD Boeny-Betsiboka ary ny ny sampana mpamonjy voina ao BOENY.

🌱Haharitra 4 volana no hipetraka eny Marohogo ity camion-citerne ity, mandritra ny fotoan’ny main-tany, ary iarahan’ny DIREDD Boeny-Betsiboka sy ireo orinasa rehetra nandray anjara tamin’ny fambolen-kazo teny Marohogo ny fandraisana an-tanana ny fandaniana rehetra.

🤝Ankasitrahana hatrany ny fifanomezan-tanantsika rehetra amin’ny ady amin’ny afo.

📣📣Andeha hifanentana isika rehetra samy hitandrina amin’ny afo sao sanatria vokatry ny tsy fitandremana no hahamay ireo alantsika.

Evenements

Thématiques
<