Mitohy hatrany ny fahombiazana azon’ireo atleta Malagasy manana fahasembanana.


Norombahan’i ANDRIANARINDRA Nancy Carnen ny medaly volamena teo amin’ny hazakazaka 200 metatra sokajy vehivavy marenina. Medaly alimo kosa no azon’i RAKOTOMANANA Tolojanahary Fredon tamin’ny sokajy lehilahy marenina.


Ireo hazakazaka roa ireo dia samy notanterahina androany 31 aogositra tao amin’ny kianjan’Alarobia.
“Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana”