Nahitana karazam-borona iray antsoina hoe “Cigogne à pattes noires” na “Ciconia microscelis” tao amin’ny Faritra arovana Mandrozo – Faritra Melaky izay tantanan’ny The Peregrine Fund in Madagascar ny 30 jona 2023 teo.


Voalohany izao no nahitana ity karazam-borona ity teto Madagasikara ary iray ihany aloha no hita hatreto fa mbola manohy ny fikarohana ny teknisianin’ny The Peregrine Fund in Madagascar miara-miasa akaiky amin’ny DREDD Melaky.

Ao Afrique Sub-Saharienne, Mozambique, Zimbabwe,Kenya ary Tanzanie, no ahitana ity karazam-borona ity.