Tontosa ny 28 aogositra 2023 tao Ampotaka Distrikan’i Mandoto Faritra Vakinakaratra ny fitokanana ny valanjavaboahary Madagasikarantsika notarihan’ny Filoha Andry RAJOELINA mivady, Ramatoa VINA Marie-Orléa Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Andriamatoa Vyvato RAKOTOVAO RAKOTOMADITRA Gouvernoran’ny Faritra Vakinankaratra ary Andriamatoa Francis RABARIJOHN Tale Jeneralin’ny Impérial Brands Madagascar.

Fahombiazana amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina ity tetikasa valanjavaboahary Madagasikarantsika ity. Fianakaviana 332 sy olona miisa 1000 mahery no misitraka tombotsoa mivantana aminy. Mitondra fandrosoana ara-tsosialy ho an’ny mponina eny ifotony arak’izany ity tetikasa ity satria manatsara ny velon-tena sy ny fari-piainan’izy ireo. Ny DREDD Vakinakaratra no manatanteraka ny asa eny an-toerana miaraka amin’ireo Vondron’Olona Ifotony.

Valanjavaboahary Madagasikarantsika miisa 5 hafa ankoatr’ity ao Ampotaka ity no hapetraka manerana an’i Madagasikara izay mirefy 120Ha isanisany avy. Tetikasa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-10 ny Filohan’ny Repoblika “Fitantanana maharitra ny harena voajanahary” sy ny “Vina Madagasikara rakotr’ala” ary tanterahin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Imperial Brands Madagasikara.
“Madagasikarantsika ho rakofantsika ala”