GREEN RECYCLING: TETIKASA FANODINANA FAKO HO LASA ANGOVO SY ZEZIKA

GREEN RECYCLING: TETIKASA FANODINANA FAKO HO LASA ANGOVO SY ZEZIKA

➡️Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teo anivon’ny DREDD Vakinakaratra ny fiaraha-miasa eo aminy sy ny olon-tsotra iray hanatanteraka tetikasa fanodinana fako avadika ho angovo afaka asolo ny arina fandrehitra handrahoana sakafo sy anaovana zezika ho an’ny fambolena.

➡️Tanjon’ny fiaraha-miasa eo amin’ny DREDD Vakinakaratra sy ity tanora ity ny hanaparitahana izao voka-pikarohana izao eny anivon’ny tokatrano tsirairay ao Vakinakaratra ka tsy hampiasan’izy ireo intsony ny arina azo avy amin’ny hazo ho fiarovana ny ala eo anivon’ny Faritra.

✅️Tafiditra ao anatin’ny paikady napetraky ny MEDD ny fanohanana sy ny fampiroboroboana ny sehatr’asa maitso tahaka izao izay ahitana vokatsoa maro. Ny fanodinana fako tahaka izao dia sady miaro ny ala tsy ripaka no manadio ny tanàna ihany koa sy manatsara ny fambolena ampiasana ny zezika ary miteraka asa eny anivon’ny fiaraha-monina.

Evenements

Thématiques
<