Anio zoma 5 Mey 2023 no notanterahina tao amin’ny kaominina Talata Volonondry ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fikolokoloana sy fanaraha-maso ireo zana-kazo voavoly notarihan-dRamatoa Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, VINA Marie-Orléa. “Fambolenkazo voakolokolo mamela Madagasikara maitso ho an’ny taranaka”, no lohahevitra entintsika manatanteraka izany.

Tanjona napetraka niaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny fanamafisana ny taham-pahombiazan’ireo zanakazo voatsatoka.Politikan’ny Fanamaitsoana sy ny Fandrakofana Ala an’i Madagasikara ao anatin’ny Velirano faha 10 ny Filohan’ny Repoblika.

Ho fitaratra sy fampianarana dia natomboka tamin’ny velarantany 5Ha izay misy hazo voavoly miisa 5 000 ny asa fikolokoloana sy fanaraha-maso. Ankoatry ny fanadiovana ireo zanakazo dia nisy ihany koa ny fametrahana aro afo. Izao hetsika izao dia tafiditra ihany koa amin’ny ady amin’ny doro tanety.

Nankasitraka tanteraka izao hetsika izao ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry ary nanome toky ny hanohizana ity paikady ity.

Nanentana ny tsy maintsy hampiakarana ny taham-pahombiazan’ny fambolen-kazo ihany koa Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, ka hiverenana ireo toerana rehetra nambolen-kazo hanatanterahana io fikolokoloana io, raha 70% izany tamin’io taom-pambolenkazo lasa io.
Miara-manomboka amin’ity hetsika any Talata Volonondry ity ihany koa ny an’ireo Faritra manerana an’i Madagasikara.
Mifarimbona amin’izao hetsika izao amin’ny Minisitera ireo mpiara-miombon’antoka, ny fikambanana samihafa ary indrindra ny kaominina sy vondron’olona rehetra eny ifotony.
