MENABE ANTIMENA : OLONA MIISA 14 MPITRANDRAKA AN-TSOKOSOKO AO ANATY FARITRA AROVANA SY BASY IRAY TRA-TEHAKA TAO ANATY ALA

MENABE ANTIMENA : OLONA MIISA 14 MPITRANDRAKA AN-TSOKOSOKO AO ANATY FARITRA AROVANA SY BASY IRAY TRA-TEHAKA TAO ANATY ALA

➡️Manamafy ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso ao anatin’ny Faritra arovana Menabe Antimena ny DREDD Menabe, ny OMC ao Menabe ahitana ny avy eo anivon’ny Tafika, ny Zandarimariam-Pirenena ary ny Polisim-pirenena, mpitantana ny Faritra arovana ho fiarovana ity toerana isan’ny mampiavaka antsika ity.

👉Ny 30 aprily teo dia tra-tehana tao anatin’ny Faritra arovana Menabe Antimena, tao Mahabosy Kaominina Marofandilia ny fiara lehibe mpitatitra entana iray nitondra katsaka 112 gony nambolena an-tsokosoko tao anaty Faritra arovana. Olona miisa 10 no voasambotra tamin’izany ary nahatrarana basy iray ihany koa teny amin’izy ireo. Natolotra ny fitsarana izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika.
👉Tao anatin’ny Faritra arovana Menabe Antimena hatrany, ny 03 mey dia tra-tehaka tao Andranovoriparaky, Fkt Mandroatry, Kaominina Beroboka Avaratra ihany koa ny fiara lehibe iray hafa nitondra katsaka 127 gony sy voanjo 3 gony novolena an-tsokosoko tao anaty Faritra arovana. Olona 4 no voasambotra niaraka tamin’izany hatolotra ny Fitsarana aorian’ny fanadihadiana.

➡️Fositra iray lehibe namotika an’i Menabe Antimena ny fambolena katsaka sy voanjo an-tsokosoko ao anaty Faritra arovana ka nanaovan’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ezaka lehibe ny fanomezana tany hambolena, ivelan’ny Faritra arovana, ireo mponina sy mpifindra-monina tamin’ny alalan’ny tetikasa titre vert Menabe Antimena.

Evenements

Thématiques
<