BNI LOVAINJAFY : FANDAHARANASA ENTINA MAMPIROBOROBO NY SEHA-PIHARIANA MAITSO MISY FIANTRAIKANY LEHIBE ARA-TSOSIALY SY ARA-TONTOLO IAINANA

BNI LOVAINJAFY : FANDAHARANASA ENTINA MAMPIROBOROBO NY SEHA-PIHARIANA MAITSO MISY FIANTRAIKANY LEHIBE ARA-TSOSIALY SY ARA-TONTOLO IAINANA

➡️Vita sonia ary natomboka amin’ny fomba ofisialy androany 02 may 2023 ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovaijafy #MEDD sy ny #BNIMadagascar mitondra ny anarana “#BNI LOVAINJAFY” izay teo ambany fitarihan-dRamatoa VINA Marie-Orléa, Minisitry ny Tontolo iainana sy nY Fandrosoana Lovainjafy.

👉Ny BNI LOVAINJAFY dia Fandaharanasa entina manohanana ara-bola sy ara-teknika ireo mpiantsehatra ara-toekarena manana tetikasa mametraka ny modelim-pitantanana manome lanja lehibe ny lafiny ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ary mamaly ny #Velirano10 sy ny Politikam-panjakana ho fanatrarana ny tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy #ODD. Ny orinasa rehetra tsy ankanavaka ka efa niorina fara-fahakeliny tao anatin’ny 2 taona ary manome lanja ny fiarovana sy fanarenana ny tontolo iainana no voakasik’ity Fandaharanasa BNI LOVAINJAFY ity ka amin’ny alalan’ny fifaninanana fanolorana tetikasa no hisafidianana azy ireo.
👉👉Orinasa 4 mahafeno ny fepetra no ho safidiana. Famatsiam-bola tsy averina mitentina 15 tapitrisa ariary no hatolotra azy ireo, miampy fampindramam-bola tsy misy zanabola (taux 0%) hatramin’ny 200 tapitrisa ariary avy amin’ny BNI Madagascar. Hanome tantsoroka ara-teknika ireo orinasa ihany koa ny MEDD ary hifanampy amin’ireo orinasa voasafidy ireo amin’ny fanatratrarana ny tanjona izay kendrena eny ifotony mba hisian’ny fiantraikany ara-tsosialy sy tontolo iainana.
🤝Modelim-piaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izao. Tanjon’ny MEDD, ny BNI MADAGASCAR ary ireo mpiara-miombon’antoka ahitana ny PNUD, WWF, CIEL Finance ary AXIAN amin’ny BNI LOVAINJAFY ny fampiroboroboana ny seha-pihariana maitso hiarovana ny tontolo iainana sy hitantanana maharitra ny harena voajanahary amin’ny alalan’ny fametrahana famatsiam-bola maitso.

➡️Ny 31 jolay no fe-potoana farany fametrahana ny tolotra tetikasa hifaninana, ary ho zaraina amintsika eto amin’ny pejy ny rohy misy ireo fepetra handraisana anjara amin’ny izany fifaninanana BNI LOVAINJAFY izany.

Evenements

Thématiques
<