FIATREHANA NY FIOVAN’NY TOETRANDRO : NIHAONA TAMIN’DRAMATOA MINISITRA VINA MARIE-ORLEA NY TALE JENERALIN’NY ARC

FIATREHANA NY FIOVAN’NY TOETRANDRO : NIHAONA TAMIN’DRAMATOA MINISITRA VINA MARIE-ORLEA NY TALE JENERALIN’NY ARC

➡️Nihaona tamin-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa tao Antsahavola Andriamatoa Ibrahim Cheick Diong Tale Jeneralin’ny ARC na African Risk Capacity ny 28 aprily 2023. Tanjon’ny ARC izay rafitra iray eo anivon’ny Vondrona Afrikanina (UA) ny fanatsarana ny fahafahan’ireo firenena afrikana mitantana ny tandindon-doza mifandraika amin’ny loza voajanahary sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro ary manana fiantohana manokana ho an’ireo mpikambana eo aminy ny ARC. Madagasikara dia mpikambana eo anivon’ny ARC Insurance Company Limited ary nisitraka fiantohana mitentina 1,5 tapitrisa dolara vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy teto amintsika.

✅️I Madagasikara no firenena voalohany nanaovan’ny Tale Jeneralin’ny ARC fitsidihana ofisialy ary nambarany nandritra ny fihaonany tamin’dRamatoa Minisitra fa tokony hiray feo ny firenena Afrikanina mahakasika ny fisitrahana ny Fond Vert pour le Climat #FVC sy ny famatsiam-bola natokana ho an’ny fahavoazana sy ny fanonerana (pertes et dommages) vokatry ny fiovan’ny toetrandro.

➡️Nambaran-dRamatoa Minisitra fa i Madagasikara dia firenena marefo amin’ny fiovan’ny toetrandro ary efa manana ny Politika hiatrehana izany #PNA. Vonona hatrany hoy izy i Madagasikara ny hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ny mpiara-miombon’antoka toa ny ARC izay manohana amin’ny fiatrehana ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetrandro toy ny tondradrano sy ny hain-tany.

Evenements

Thématiques
<