FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : NANOLOTRA FAMPITAOVANA HO FANOHANANA NY MEDD NY PAGE2/GIZ

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : NANOLOTRA FAMPITAOVANA HO FANOHANANA NY MEDD NY PAGE2/GIZ

🌱Taorian’ny DIREDD Boeny-Betsiboka sy ny DREDD DIANA dia nisitraka fampitaovana avy amin’ny Fandaharanasa PAGE2/GIZ ihany koa ny Fitaleavana eto Antananarivo izay misy fiaraha-miasa mivantana amin’ity Fandaharan’asa ity. Nahitana moto, fitaovana informatika, finday ary fitaovana maro isan-karazany fampiasa anaty birao ireto fitaovana ireto. Manampy amin’ny fanafainganana ny asa sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa sahanin’ireo Fitaleavana ireo izao fampotaovana izao.

✅️Nandritra ny fanatanterahana ny fivorian’ny “Comité de pilotage” ny Fandaharanasa PAGE2/GIZ notanterahina androany 25 aprily teny Soanala Ambatobe izay notarihan-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa sy Andriamatoa Bertrand Meinier, Talen’ny Fandaharanasa PAGE2/GIZ eto Madagasikara ary Andriamatoa RAKOTOMANGA Taciano Governoran’ny Faritra DIANA no nanolorana ireto fampitaovana ireto. Fotoana ihany koa niarahana namaritra ireo laharam-pahamehana eo amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny MEDD sy ny Fandaharanasa PAGE2/GIZ sy ny fanatanterahana ny soridalana fototra napetraky ny MEDD.

➡️Ny Faritra Boeny sy DIANA no iasan’ny Fandaharanasa PAGE2/GIZ. Tetikasa ara-tontolo iainana maro no tanterahin’ity fandaharanasa ity miaraka amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ho fanatanterahana ny Velirano faha-10. Misitraka tombony mivantana amin’izany ny Faritra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary ao aminy sy ireo mponina eny ifotony amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny rohim-pihariana maitso manatsara ny velon-tena sy ny fari-piainan’izy ireo.

Evenements

Thématiques
<