📍𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘮𝘣𝘦 – 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘯𝘢𝘭𝘢𝘯𝘫𝘪𝘳𝘰𝘧𝘰
🌿 Fokontany maro tao anatin’ny 𝗸𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗲 no notsidihan’ny 𝗙𝗶𝘁𝗮𝗹𝗲𝗮𝘃𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼 (#𝗗𝗥𝗘𝗗𝗗𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼 / #𝗖𝗘𝗙_𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗔𝘃𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮) sy ny 𝗟𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗯𝗼𝗿𝗶𝗯𝗼𝗿𝗶𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗲 nitondrana fanentanana mahakasika ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala. 🎯Fampahafantarana ny vokadratsy ateraky ny afo sy ny lalàna mifehy izany ary ny sazy mifandraika aminy no nampahafantarina ireo mponina. 🌳Teo ihany koa ny fanamafisana ny fanentanana amin’ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary izay anisan’ny mitarika ny fahapotehan’ny ala ❌️🔥
⛔️🔥Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nanamafisana ny fametrahana ny 𝗩𝗮𝗼𝗺𝗶𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗳𝗼 (#𝗩𝗡𝗔), rafitra eny ifotony amin’ny fitantanana ny afo, ahafahana manamafy ny fisorohana sy fiatrehana ny afo.🌳
Date de publication : 10 septembre 2025

Suivre d'autres actualités