ANDAPA: OMENA LANJA AMIN’NY FIAROVANA NY FARITRA AROVANA NY ARA-DRAZANA

ANDAPA: OMENA LANJA AMIN’NY FIAROVANA NY FARITRA AROVANA NY ARA-DRAZANA

🌳Paikady mahomby entina miaro sy mitantana ho lovainjafy ny faritra arovana ny fanomezan-danja ny ara-drazana sy ny fandraisan-andraikitra feno ny eny ifotony. Ireo no tsoa-kevitra nivoitra tamin’ny fihaonana teo amin’ny Ministera, ny tompon’andraiki-panjakana, ny mponina eny ifotony, ny fikambanana, ny mpitandro ny filaminana, ny mpitantana faritra arovana ary ny mpiara-miombon’antoka entina miady amin’ny tsindry mahazo ny faritra arovana ao amin’ny Distrikan’Andapa.

🌱Fositra iray lehibe mamotika ny faritra arovana ny doro ala, ny doro tanety ary ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ka nitondran’ny Governoran’ny Faritra SAVA sy ny Tale misahana ny Faritra arovana eto anivon’ny MEDD fanentanana manokana nandritra ny fidinana ifotony notanterahina tao amin’ny Distrikan’Andapa. Ankoatra ny fakan-kevitra tao Andapa dia nijery ifotony ny zava-misy teny anivon’ireo faritra arovana ireto tompon’andraikitra ireto.
➡️Nampahafantarina ny rehetra fa maro ny tombotsoa sitrahina avy amin’ny faritra arovana na ara-tsosialy na ara-toekarena. Niarahan’ny rehetra nanaiky nandritra ny fifanakalozan-kevitra ny fampandraisana anjara ny Tangalamena amin’ny asa fiarovana ny harena voajanahary ka hitondran’izy ireo fanentanana eny anivon’ny fiaraha-monina misy azy.

✅️Ao amin’ny Distrikan’Andapa no ahitana ny faritra arovana Marojejy, Makira, Anjanaharibe Sud ary COMATSA na “Corridor Marojejy Annjanaharybe Sud Tsaratanana”.

Evenements

Thématiques
<