Ahitam-bokany hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro ny filaminana, ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ireo mpanome vaovao satria dia sokatra Radiata misa 43 indray no tra-tehaky ny Zandarimariam-pirenena tao an-tokatranon’olona monina ao Tsienengea – Toliara ny alin’ny 7 aprily 2023.
Voararan’ny lalàna ny fihazana, ny fitazonana, ny fividianana, ny fivarotana, ny fanondranana ary ny fihinanana sokatra araka ny voalaza ao amin’ny Andalana faha 29 ny Lalàna 2005-018 ny CITES – Fifanarahana momba ny varotra iraisam-pirenena amin’ny karazam-biby sy zavamaniry. Ankasitrahana hatrany ny fanomezam-baovao avy amintsika rehetra ho fiarovana ireo harena voajanaharintsika ireo.