ATSIMO ATSINANANA: ZANAKAZO MIISA 10 000 NO VOAVOLY TAO AMBATOMENA – LOPARY

ATSIMO ATSINANANA: ZANAKAZO MIISA 10 000 NO VOAVOLY TAO AMBATOMENA – LOPARY

🌱🌱Nifamotoana tao Ambatomena – Kaominina Lopary – Distrikan’i Vangaindrano ny Faritra Atsimo Atsinanana nanatanteraka fambolen-kazo ho fanarenana ny ala simba ao an-toerana. Zanakazo 10 000 no voavoly tamin’ny velaran-tany 8Ha izay notarihan’ny Governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana Dr Justin Mahafaky, ny Solombavambahoaka voafidy tao Vangaindrano ary ny DREDD Atsimo Atsinanana. Nifanome tanana tamin’ny fambolena ireo zanakazo ny tompon’andraiki-panjakana eo anivon’ny Faritra, ny mpiara-miombon’antoka, ny mpitandro ny filaminana ary ireo mponina manodidina.

🌱“Izay mamboly hazo mamelona aina, izay maboly hazo mamelona an’i Madagasikara”🌱

Sary: DREDD Atsimo Atsinanana / GERP Efatsy Manombo

Evenements

Thématiques
<