FIANARANTSOA : NIDINA AVY HATRANY TANY FIANARANTSOA NY MINISITRA MEDD SY MJS NISOLOTENA NY FITONDRAM-PANJAKANA NANKAHERY SY NITONDRA FANAMPIANA HO AN’IREO TANORA NIHARAM-BOINA

FIANARANTSOA : NIDINA AVY HATRANY TANY FIANARANTSOA NY MINISITRA MEDD SY MJS NISOLOTENA NY FITONDRAM-PANJAKANA NANKAHERY SY NITONDRA FANAMPIANA HO AN’IREO TANORA NIHARAM-BOINA

✅️Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahazo ireo tanora avy ao Fianarantsoa nanatanteraka fambolen-kazo tany Talata Ampano ny 4 martsa 2023 dia nidina avy hatrany tany an-toerana Ramatoa VINA Marie-Orléa, Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, sy Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, nisolotena ny fitondram-panjakana nankahery sy nitondra fanampiana ho an’ireo niharam-boina. Nanotrona azy ireo tamin’izany ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony Andriamatoa Lova Narivelo RAZAFINDRAFITO, ny Solombavambahoaka voafidy tao Fianarantsoa RAJOELINA Seth, ny Prefen’i Fianarantsoa, ny Ben’ny Tanànan’i Fianarantsoa I, Talata Ampano, Soahindrana ary ireo lehiben’ny sampan-draharaha ao amin’ny Faritra.

✅️Miisa 16 ireo tanora nentina notsaboina tao amin’ny Hopitaly Be Fianarantsoa ka ny iray dia namoy ny ainy ny marainan’ny 05 martsa, ny 02 izay voadona mafy teo amin’ny lohany dia arahi-maso akaiky, ny 04 mbola manaraka fitsaboana fa tsy misy atahorana ny ainy ary ny 09 efa afaka namonjy fodiana. Ny fitondram-panjakana avokoa no mandray an-tanana ny fitsaboana ireo naratra ary nanolotra fanampiana ho azy ireo tamin’ny alalan’ireo Minisitra tonga tany an-toerana.

Isan-taona dia manatanteraka hetsika fambolen-kazo ho an’ny tanora toa izao hatrany ny Faritra, ny DREDD Matsiatra Ambony ary ny DRJS Matsiatra ambony. Mavitrika hatrany ireo tanora ireo mandray an-tanana ny hoaviny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ka miisa 900 izy ireo no nandray anjara tamin’ity andiany faha 3 ity.

✅️Nankasitraka ny fandraisan’andraikitra haingana nataon’ny fitondram-panjakana ny fianakavian’ireo tanora ireo tamin’ny fitsaboana ka nampitondra ny teny fisaorana ho an’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta.

Evenements

Thématiques
<