FARITRA AROVANA ANKIVONJY : TSY MAINTSY ANDRAISANA FEPETRA NY FIOMPIANA DINGADINGANA AO ANATY FARITRA AROVANA

FARITRA AROVANA ANKIVONJY : TSY MAINTSY ANDRAISANA FEPETRA NY FIOMPIANA DINGADINGANA AO ANATY FARITRA AROVANA

✅️Vokatry ny fampitam-baovao voarain’ny Ivon-toerana fanaraha-maso ny jono CSP Ambanja milaza fa misy manatanteraka fiompiana dingadingana na concombre de mer tsy manara-dalana ao amin’ny Faritra arovana an-dranomasina Ankivonjy ao amin’ny Distrikan’Ambanja, Kaominina Bemaneviky Andrefa, ao amin’ny Baie des Russes, dia nanatanteraka fidinana ifotony ny DREDD DIANA/ CEF Ambanja sy ny CSP Ambanja niaraka tamin’ny Zandarimariam-Pirenena Ambanja. ny WCS mpitantana ny faritra arovana ary ny Assistant parlementaire Ambanja.

✅️Hita tamin’izany fa tena misy tokoa fiompiana dingadingana tsy nahazoana alalana ary ao anatin’ny Faritra arovana an-dranomasina Ankivonjy no misy azy.

✅️Tsy maintsy andraisana fepetra ny fanpiatoana haingana ity fiompiana dingadingana ao anaty Faritra arovana ity ary atolotra ny fitsarana ny tompon’andraikitra satria voararan’ny lalàna mifehy ny Faritra arovana #COAP ny fanatanterahana izany.

Evenements

Thématiques
<