CONVENTION CADRE DES NATIONS UNIES SUR LE DROIT DE LA MER : NIADY HO AN’NY TOMBOTSOAN’I MADAGASIKARA NY DELEGASIONA AVY ETO ANIVON’NY MEDD

CONVENTION CADRE DES NATIONS UNIES SUR LE DROIT DE LA MER : NIADY HO AN’NY TOMBOTSOAN’I MADAGASIKARA NY DELEGASIONA AVY ETO ANIVON’NY MEDD

✅️Nandray anjara tamin’ny «Cinquième Conférence intergouvernementale » izay mifandraika amin’ny Convention des Nations Unies sur le droit de la mer i Madagasikara tamin’ny famolavolana ny lalàna mifehy ny karazanjavamananaina an-dranomasina ivelan’ny fari-dranomasina iadidian’ny firenena. Tamin’ny foiben’ny Firenena mikambana any New York no nanatanterahana ity fihaona-be ity ny 20 febroary ka hatramin’ny 03 martsa 2023. Solontena telo avy eto anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny delegasiona Malagasy niatrika izany.

✅️Tanjona tao anatin’ity fihaonam-be iraisam-pirenena ity ny hamoahana lalàna mifehy ny karazanjavamananaina amin’ireo fari-dranomasina tsy misy mpifehy na « libre accès » nefa misy fiantraikany lehibe amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tontolo iainana ka ankatoavin’ny firenena rehetra. Nifantoka tamina lohahevitra maro arak’izany ny adihevitra ka isan’izany (1) ny Fitsinjarana ara-drariny ny tombony ara-toekarena (2) Ny fitantanana ireo fari-dranomasina ireo indrindra ny faritra arovana an-dranomasina (3) Ny fanatanterahana tombana ara-tontolo iainana.

✅️Zava-dehibe ho antsika ny fiatrehana ity fihaonam-be ity nahafahana niara-namolavola ity lalàna ity sy niady ho an’ny tombotsoan’i Madagasikara amin’ny maha-nosy voahodidina ranomasina antsika. Eo ihany koa ny hahafahana mijery ny fomba entina mampiroborobo ny toekarena manga eto amintsika mifantoka amin’ny fitantanana maharitra sy fiarovana ny rohivoahary an-dranomasina ary ny fanohanana ireo mponina eny ifotony. Tsapa ihany koa fa ilaina ny fametrahana rindran-damina iraisam-pirenena sy nasionaly hampahomby ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe toy ny l’Ocean Pasture Restoration (OPR – MG) sy ny fametrahana fitaovana entina mitantana ny fari-dranomasina toa ny Aires Marines Protégées (AMP) sy ny Planification Spatiale Marine (PSM).

Evenements

Thématiques
<