3 martsa : Andro maneran-tany ho an’ny Fiainana Dia


24 taona taty aorianan’ny nanambarana fa lany tamingana ny karazam-borona antsoina hoe “Dusky tetraka” dia nahitana ity karazam-borona ity indray tany amin’ny ala any Avaratra – Atsinanan’i Madagasikara. Mpikaroka notarihan’ny programme Madagascar du Fonds Peregrine” no nahita ity indray ity karazam-borona ity tamina toerana roa mifanalavitra. Ny iray tany Masoala ny faran’ny volana desambra 2022, ary ny faharoa kosa tany Andapa ny volana janoary 2023.

Ny taona 1999 no nahitana farany ity karazam-borona Dusky Tetraka ity izay efa nosokajian’ny Search for Lost Birds ho isan’ireo vorona 10 tsy hita intsony.
Miezaka mijery ny toeram-ponenan’ny Dusky tetraka ny mpikaroka ankehitriny hahafahana mamantatra ny mombamomba azy.

Ny Dusky tetraka dia karazam-borona tsy manidina fa mitsambikina amin’ny tany.
Source : The Peregrine Fund