Tra-tehaky tao Fianarantsoa ny sokatra Astrochelys radiata miisa 20

Tra-tehaky tao Fianarantsoa ny sokatra Astrochelys radiata miisa 20

🐢🐢Ny sokake dia isan’ireo biby dia tsy fahita raha tsy eto amintsika. Any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy no ahitana azy. Mizaka tsindry lehibe anefa ity karazanjavamananaina iray ity vokatry ny fitrandrahana an-tsokosoko atao aminy.

✅️Mifanome tanana ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy #MEDD, ny mpitandro ny filaminana ary ireo mpiaramiobon’antoka manamafy ny fiarovana ireo harena voajanaharintsika ireo ka hanamafy ny fiambenana eny amin’ny lalam-pirenena manerana an’i Madagasikara sy manodidina ireo toerana sy faritra arovana ahitana ireo harena voajanahary ireo. Isaorana ihany koa ny fandraisan’andraikitra sy fanomezan-tanana avy amintsika olom-pirenena amin’ny fanomezam-baovao ary entanina hatrany isika hifanampy aminay amin’ny fiarovana ireo harena voajaharintsika ireo.

🐢🐢Ny 29 janoary 2023 lasa teo dia tra-tehaky tao Fianarantsoa ny sokatra Astrochelys radiata miisa 20 vokatry ny firaha-miasa teo amin’ny #PolisimPirenena sy ny #DREDDHauteMatsiatra. Fiara lehibe iray mpitondra entana avy any Ambovombe no nitondra ireto sokatra ireto. Naiditra am-ponja avy hatrany ny mpamily ity fiara ity.

Androany no natolotra ny #TSA na Turtle Survival Alliance ireto sokatra ireto ary izy ireo no hiandraikitra ny fampodiana azy any Atsimon’ny Nosy izay misy ny toeram-ponenany.

Evenements

Thématiques
<