03 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny Fiainana Dia

03 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny Fiainana Dia

🌳Ankalazaina isaky ny 03 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny Fiainana Dia araka ny tapaka tamin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 2013. Daty izay mifanandrify amin’ny andro nanaovana sonia ny Fifanarahana momba ny varotra iraisam-pirenena amin’ny karazam-biby sy zavamaniry Dia tandindomin-doza, na hoe CITES, tamin’ny taona 1973.

🌿Iarahantsika mahalala fa manan-karena harena voajanahary isika eto Madagasikara izay efa tandindomin-doza ankehitriny noho ny fitrandrahana sy fanondranana azy antsokosoko. Manan-danja lehibe anefa ny zavamaniry sy ny biby dia ho an’ny rohivoahary. ‘

👉Ndao samy hiaro izany isika rehetra satria isan’ny asa fanarenana ny tontolo iainana izany. Ny lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona ity rahateo ny hoe “Fiaraha-misalahy ho fiarovana ireo karazam-biby sy zavamaniry dia.

Evenements

Thématiques
<