« Sainte-Marie: Fikambanam-behivavy Ambatorao, Laharana Voalohany amin’ny Famokarana Arina Ekolojika avy amin’ny Fako »

𝘚𝘢𝘪𝘯𝘵𝘦-𝘔𝘢𝘳𝘪𝘦, 08 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2025

Nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny Tontolo Iainana (
#JME) izay notanterahina tany Sainte-Marie ny 2 hatramin’ny 4 jona 2025 lasa teo, dia nisitraka fampiofanana sy fampitaovana manokana mahakasika ny famokarana arina ekolojika, avy amin’ny fanodinana fako, ny fikambanam-behivavy ao amin’ny fokontany Ambatorao izay mpandresy tamin’ny fifaninanana tanàna madio.

Ity tetikasa ity dia vahaolana maharitra amin’ny fiarovana ny ala, manome lanja manokana ny fanodinana fako ho arina ekolojika ary mandray anjara lehibe amin’ny fampiroboroboana ny seha-pihariana maitso eny ifotony.

Tonga nitsidika sy nanao fizohiana ny fandrosoan’ny tetikasa tany Ambatorao – Sainte-Marie Andriamatoa Minisitra
Max Andonirina Fontaine (
#MEDD). Efa voafehin’ireto fikambanam-behivavy ireto ny famokararana arina ekolojika ary nankasitraka ny tohana izay nomen’ny Minisitera azy izy ireo, izay manampy betsaka amin’ny fampihodinana ny fihariana maitso izay ataony.
Date de publication : 11 août 2025