« SADC: Famelabelaran-kevitra momba ny angovo azo avaozina sy fanovana ny rafi-pambolena »

Ao anatin’ireo hetsika mandrafitra ny fihaonana an-tampony faha 45-n’ireo Filoham-panjakana sy Lehiben’ny Governemanta eo anivon’ny
#SADC dia hodinihina mandritry ny famelabelaran-kevitra hatao eny amin’ny Grand Amphi FAC EGS ny

Alakamisy 14 Aogositra 2025 ho avy izao manomboka amin’ny

8 ora maraina ny manodidina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa rezionaly mba hanafainganana ny fampiasana

angovo azo avaozina sy ny fanovana ny rafi-pambolena

amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC.

Hetsika izay azo arahina mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena sy amin’ny

tambazotran-tserasera sosialy.
Date de publication : 8 août 2025