๐ŸŒณ๐ŸŒŠ๐˜ˆ๐˜จ๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ณ๐˜ฐ๐˜ต๐˜ด๐˜ข๐˜ฏ๐˜จ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข, 14 ๐˜‘๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ข 2025 โ€” Notanterahina ny 12 ka hatraminโ€™ny 14 Jona 2025 lasa teo tao Ambanja ny atrikasa rejionaly nanaovana tombana ny zavabita sy handrindrana ny asa eo anivonโ€™ny tetikasa PCD2 Honko Mamelonjafy any aminโ€™ny tapany avaratrโ€™i Madagasikara. Tanjonโ€™ity tetikasa ity ny hanarenana ny ala honko simba sy hanatsarana ny fari-piainanโ€™ireo mponina miankina aminโ€™ny jono.
๐ŸŒŠNy Tetikasa PCD2 Honko Mamelonjafy dia eo ambany fiahianโ€™ny Minisiteranโ€™ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD, #DREDDDIANA) ary tanterahinโ€™ny Madagascar National Parks (#MNP) miaraka aminโ€™ny Association Famelona, Conservation International (#CI) ary Wildlife Conservation Society (#WCS).
๐ŸŒณ๐ŸŒŠAnisanโ€™ny nisongadina nandritra ity atrikasa ity ny fanolorana fitaovam-panjonoana maro isan-karazany ho anโ€™ny fikambananโ€™ny mpanjono ao Agnorotsangana – Ambanja โ›ต๏ธ : vedette, lakana, gilets de sauvetage, fitaovana fitehirizana tondro (fumoir),…ho fanohanana ny fivelomanโ€™ny mponina sy fanohanana ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina.
Date de publication : 19 juin 2025

Suivre d'autres actualitรฉs