🌳🌊 #NosyBe dia anisan’ireo toerana manintona mpizahatany indrindra eto Madagasikara noho ny hakanton’ny torapasika, ny haran-dranomasina ary ny hakanton’ny #zavaboahary. Saingy miatrika olana goavana amin’ny fitantanana ny fako, indrindra ireo fako plastika sy fako organika izay mandoto ny ranomasina, ny morontsiraka ary ny tontolo iainana.🏖🌿
🌿⛵️Ny 02 May 2025, dia notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Tanàna ny fivoriana iarahan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy #MEDD ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny #fako sy ny #fandotoana.♻️
♻️🌿Tanjon’ny fivoriana ny hamolavolana tetikady feno sy mifanaraka amin’ny zavamisy ao Nosy Be amin’ny fitantanana ny fako sy ny fidirana amin’ny #toekarena mikajy ny #tontoloiainana.
🏡♻️Nisongadina tamin’ny fivoriana ny fanadihadiana ny zava-misy amin’ny fitantanana ny fako, ny fampahafantarana ireo ezaka efa misy, ary ny fikarohana vahaolana iombonana sy fampiroboroboana ny fandraisana andraikitry ny rehetra, indrindra ny mpandraharaha ara-toekarena sy ara-pizahantany.
🌳🌱Nanambara Andriamatoa Minisitra Max Andonirina Fontaine fa mila mandray andraikitra sy miara-misalahy ny rehetra amin’ny fametrahana vahaolana mahomby.
Date de publication : 5 mai 2025

Suivre d'autres actualités